Mbola matanjaka ny Antoko AVI : Vonona hampandroso an’i Madagasikara
2026-03-23 - 04:43
Nampahafantarina tetsy Antsahavola ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny tanoran’ny antoko Avi eny amin’ny boriborintany fahenina. Mivonona amin’ny fifidianana izy ireo. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Avi, Andriamiharivolamena Zavamanitra fa nanana ny tanjany sy ny heriny ny antoko. Anisan’izany ny fananana olom-boafidy maro, toy ny depiote, ben’ny Tanàna, mpanolotsaina, loholona. Efa nitantanana firenena koa ny Avi tamin’ny naha Praiminisitra sy filoham-panjakana ny mpanorina ny antoko, Ratsirahonana Norbert Lala. « Tonga ny fotoana hanamafisana izany amin’ny alalan’ny fametrahana ny fototra sy ny fanitarana izany ka hiverenan’ny tanjany sy ny herin’ny antoko », hoy izy. Nohitsiny fa vonona ny hiatrika ireo fifidianana rehetra izy ireo ka anisan’izany ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy ny depiote. Efa fakana bahana amin’izany izao fanetsehana sy ny fananganana ny tanora eny anivon’ ny boriborintany eto Antananarivo izao. Notsiahiviny fa 28 taona nijoroana ny Avi ary nametraka ny fotokevitra mazava. Anisan’izany fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy ny tany tan-dalàna, notakian’ny vahoaka. Naneho fahavononana ny hamerina sy hametraka izany eto amin’ny firenena izy ireo manoloana ny volabe voahodinkodina sy very tamin’ny fitantanana teo aloha, araka ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty farany teo. « Tsy nahitana vola very na ariary aza ka ireharehanay ny fitantanana madio sy mangarahara, fony filoham-panjakana sy praiminisitra ny mpanorina antoko », hoy izy. Manohana ny fanavaozana sy ny fanovana Etsy andaniny, nanteriny fa manohana fotokevitra izy ireo. « Tohananay ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao amin’ny fivoizany ny fanavaozana sy ny fanovana tanterahan’izy ireo », hoy ihany izy. Tsiahivina fa nanomboka ny volana oktobra teo, tamin’ ny alalan’ny kongresy ny fitantanana izao birao vaovao izao. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’izy ireo ny famelomana maso ny antoko Avi. Synèse R.