TheMadagascarTime

Menamena ny sary

2026-02-19 - 04:15

Anisan’ny sehatra iray miroborobo sy mihazakazaka be amin’izao fotoana izao, amin’ny fitondran’ny kolonely Randrianirina Michaël, ny Diplaomasia. Iaraha-mahalala fa efa nivoaka any ivelany indray ny tenany, nanomboka afakomaly. Miezaka ny mamelatra ny fifandraisana amin’ ny firenena hafa, ankoatra ny nahazatra hatrizay. Tsy mihanona amin’ny be kintana sy ny frantsay in­tsony fa mivelatra kokoa any amin’ny firenena tatsinanana. Miofo menamena tsikelikely ny zotra, safidian’ny mpitondra. Mirona amin’ny rosianina, ny sinoa, ny karana, ny arabo ny fitondran-dRamiaramila. Mivelatra amin’ny sehatra hafa isan-karazany ihany koa ny fiaraha-miasa. Iaraha-mahita ny zava-miseho, efa manao be fiavy amin’ny fanohanana ny rosianina. Manohana, araka izay tratrany mihitsy amin’ny fitaovana indrindra indrindra. Tsy misy maharatsy azy rahateo izany, rehefa mazava ny fi­tsipi-dalao. Mba tsy hifanambaka toy ny an’ny sasany, natao hanjanahana amin’ny endriny vaovao indray. Tsy mendrika fitaka be vava intsony ny vahoaka mala­gasy. Zava-dehibe ny fametrahana ny mangaraharaha amin’izay atao. Tsy misy rahateo ny miafina izay tsy hipoitra, raha tahiny ka misy izany. Ny azo antoka anefa, efa miezaka ny mamoaka tsikelikely ny asa ataony sy ny dia halehany ireo mpitondra. Manokatra tsikelikely ny varavarana ahitana ny marina. Mbola lavitra ezaka ny fanatanterahana ny fifidiana anatin’ny 20 volana ambiny. Fepetra iray takin’ny Vondro­na Afrikanina, rahateo, izany hanafoanana ny sazy. Hita sy tsapa ny ezaka mifanindran-dalana amin’izay. Ny lehiben’ny diplaomasia malagasy rahateo efa manao izay ho afany. Mifanome tanana sy mampanjaka ny entan-jaraina mora zaka ny mpitondra. Na eto an-toerana, na any ivelany, misy ny karazana adisisika isaky ny rafitra an-tanan-tohatra samihafa. r.r

Share this post: