TheMadagascarTime

Mesupres : Laharam-pahamehana ny digitalisation

2026-03-02 - 04:56

Nifantoka tamin’ny fomba hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny asa atolotra ireo rehetra manan-draharaha ao anivon’ny minisitera ny fihaonan’ireo tomponandraikitra ny faran’ny herinandro teo. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny minisitera ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa izany. Laharam-pahamehana napetraka ny firosoana amin’ny «digitalisation». Kendrena ny hanatanterahana ny fahaleovantenan’ny sampandraharaha tsirairay ao anatin’ny roa taona. Tanjona ny hisian’ny fanatsarana sy fahombiazan’ny asa, hampihenana ny fahatarana sy hanamafisana ny mangarahara amin’ny tolotra omena. Voaresaka ihany koa ny fanomanana ny “Yellow Book”, hanamafisana sy handrindrana ny fomba fiasa sy ny fitsipika anatiny. Nandray anjara mavitrika tamin’ny adihevitra ireo tomponandraikitra, ka nanolotra soso-kevitra hanatsarana bebe kokoa ny paikady hotanterahina. Niarahana tamin’ireo tale jeneraly, tale ary lehiben’ny sampandraharaha ny dinika. Tatiana A

Share this post: