Miaina anaty herisetra mangina ny vehivavy : Tsy salama, mihena ny vola miditra noho ny tsy fisitrahana rano
2026-02-20 - 04:57
Naranty an-tsary, omaly, teny Antanimena, ny zavatra iainan’ny vehivavy momba ny fahasarotana misitraka rano madio amin’ny andavanandro. Nampahafantarina niaraka tamin’izay koa ny valin’ny fanadihadiana momba ny fisitrahana rano, indrindra ho an’ny vehivavy eto Antananarivo. Manaiky miaina ao anatin’ny tsy fisitrahana rano izy ireo noho ny zava-misy. Misy fiantraikany amin’ny asa fiveloman’ny vehivavy sy ny fahasalamana ara-pananahana ny fahasarotan’ny fisitrihana rano madio eto Antananarivo, araka ny valin’ny fanadihadiana sy fikarohana natao tamin’ny fokontany 192, anatin’ny boriborintany enina, eto an-dRenivohitra. Tombana niarahan’ny hetsika Nifin’akanga sy ny Alternatives Madagascar. Notanterahina ny volana novambra 2025, teny anivon’ny tokantrano misy reny loham-pianakaviana, vehivavy manao asa madinika (mpanasa lamba, mpivarotra hani-masaka..), ny fanadihadiana. Vehivavy avokoa ny 51% ny mpantsaka rano tamin’ireo nanontaniana ary ny 44% amin’izy ireo no mandeha lalana 100 m miala ny trano fonenana mantsaka indray mandeha na mihoatra isan’andro. Vokatr’izay, 57% no nilaza fa nihena ny vola miditra aminy, 52% nanana olana noho ny tsy fandriampahalemana mandritra ny ora fantsakana ary ny 46% nahatsapa fa nisy fiantraikany amin’ny fahasalamany ny tsy fahazoana rano. “Zo fototra ho an’ny isam-batan’olona ny fisitrahana rano madio nefa eken’ny vehivavy ny tsy fanajana io zo io noho ny zavatra iainany andavanandro. Itarafana izany ny fisasana eny amin’ny tanimbary rehefa tonga ny fadimbolana na rehefa avy miasa ny mpampanofa vatana”, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny Alternatives Madagascar, Mathieu Narendra, omaly, teny Antanimena. “Ho fitaovana entina manao adisisika ho an’ny mpitondra fanjakana sy ny mpiray ombon’antoka ny valin’ny fanadihadiana. Hanatsarana ny politikan’ny rano sy hampidirana ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ao anatin’ny drafitrasa momba ny rano ihany koa”, hoy ny mpanorina ny hetsika Nifin’akanga, Raveloarimisa Mbolatiana. Vonjy