Miandry ny « Prix Découvertes RFI »… : Hisehatra etsy amin’ny IFM i Claudio Rabe
2026-02-25 - 04:56
Na any ivelany aza no monina, tsy manadino ny fototra i Claudio Rabe. Maro ireo ezaka efa nataony. Hisy ny dingana holalovany. Iray amin’ireny ny fifaninanana « Prix Découverte RFI ». Tany amin’ny tontolon’ny dihy no tena nampisongadina azy voalohany... Fa mpanakanto marolafy raha i Claudio Rabe. Mpitendry amponga maroanaka sy karazan-javamaneno ravaka izy no mpihira sy mpamoron-kira ihany koa. Mitondra ny anarany ihany ny tarika natsangany any La Réunion, satria monina any ity mpanakanto ity. Tsy manary ny fototra, tsy manadino ny tanindrazana anefa i Claudio Rabe. Porofon’izany, efa eto izy amin’izao fotoana, ary hisehatra etsy amin’ny IFM Analakely, ny zoma 27 febroary izao, amin’ny 7 ora hariva. « Mosary », anisan’ny hira iray ao anatin’ny vokatra farany navoakan’i Claudio Rabe. Manaporofo izay fifikirany amin’ny tany nihaviana izay ny hira, miresaka ny tranga misy. Manamafy izany ny « Chez nous », miditra mafimafy kokoa amin’ny toe-draharaha politika... Havoakany amina gadona maroloko, arahin-dihy mampiavaka an’i Claudio Rabe ireo, izay hozaraina amin’ireo liana amin’ny zavakanto hataony. Ireny ihany koa no entiny handresen-dahatra ny rehetra, hifidy azy amin’ny « Prix Découvertes RFI », satria iray amin’ireo 10 tafiditra anatin’ny dingana famaranana i Claudio Rabe. Manana hatramin’ny 11 marsa izao ny mpiray tanindrazana maneran-tany, raha te hanohana azy. Zo ny Aina