Miha matotra
2026-02-20 - 04:46
Azo lazaina fa miha matotra tsikelikely aloha ny fitondrana miandraikitra ny Fanavaozana. Miha mivelatra tsikelikely araka ny nandaminan’ny Filoha sy ny ekipany azy ny zava-drehetra. Ny mampiavaka ireo nahazo toerana amin’izao, mampiseho fiaraha-mientana avokoa mba hanatrarana vokatra iray. Tanjona ny hambaboana ny fon’ny vahaoka malagasy izay efa misy ny mampiaka-pofona. Tsy maintsy misy rahateo moa ny volo mpanoha-randrana, koa tsy mahagaga ny fisian’ny zavatra tahaka izany. Tsy maintsy misy ny tsy afapo ka misintona ny lakolosy. I Madagasikara rahateo tsy an’olon-tokana na an’olom-bitsy. Samy manana adidy ny amin’izay heveriny fa mahametimety ny firenena na iza na iza. Tsy ifanomezan-tsiny ny fanehoan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny lamina napetraky ny mpitondra. Ny zava-dehibe, tena efa anatin’ny asany ilay fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Miezaka ny manao izay vita aloha, handaminana ny azo alamina. Hanohizana ny azo tohizana mba hampiroborobo ny toekarena sy hanodinana ny sosialim-bahoaka. Mitady ny fomba rehetra ahafahana miroso tsikelikely amin’ny drafitra isan-tsokajiny efa novolavolaina. Mandeha tsikelikely! Efa iraha-mahita fa mipaka hatrany ivelany ny ezaka izay atao. Mikendry ny fivelarana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena angaredona ara-bakiteny ny fikatsahana ilay fankatoavana sy ny fanalana ny sazy. Tanjona ny mba ho mpandray anjara feno amin’ny raharaha maneran-tany sy ahafahana mamita araka ny tokony ho izy ny fanamby napetraka. Tsy inona fa ny fifidianana araka ny Lalàmpanorenana. Zava-dehibe ny fahazoana fahalalahana malalaka mba hirosoana amin’ny dingana isan’ambaratongany. Tsy maintsy miara-mitady vahaolana ahafahana miroso tsikelikely na eo aza ny fanamby tsy maintsy hialana. I Madagasikara rahateo mila vahaolana haingana sy azo ampiharina avy hatrany raha misy ny azo aroso. r.r