Mila fantarina ny maika : Diso lalana indray ny tontolon’ny teny malagasy
2026-02-28 - 05:36
Manana ny mampiavaka azy ny Malagasy. Iray amin’ireny ny teny. Niharan’ny olana lehibe rehefa tafiditra tao anaty fanjanahantany... Ezahina harenina ankehitriny... Niara-nisy tamin’ny fisian’ity Nosy ity ny teny. Faritra maromaro eto Madagasikara no mbola nahatahiry io teny fototra io amin’ny ampahany lehibe tokoa. Ny hafa, nanafangaro izany tamin’ny fitenin’ireo mpihavy tonga teto... Tany amin’ny taona 1972 – 1975, natsidika ny « fanagasiana »... Nahatsiaro sy nahatsapa ary niaina tsy fahombiazana ny fanabeazana sy ny fampianarana. ... Taona 2000, nambara ho lesoka eo amin’ny teny malagasy ny tsy fahampian’ny voambolana. Na ireo heverina ho manampahaizana aza, tafaroboka. Nikaroka ireo heverina ho lesoka sy ny fomba hoenti-manarina izany. Nandany taona maro... ... Tsy mby tao an-tsain-dry zareo ireto mihitsy ny olana fototra. Vao nahare ny tsy fahampian’ny voambolana nambaran’ny « fanagasiana », navela sy napetraka an-jorom-bala ny teny malagasy. Mila ampiasaina any amin’ny sehatra rehetra ny teny malagasy. Io ilay lesoka goavana. Io no mila voizina mafy sy mila tadiavina izay fomba hanatanterahina azy. Fa raha tsy izany, diso lalana indray ny tontolon’ny teny malagasy. Tsy ilaina fanampiana avy any ivelany ny fitenenana sy fanajana ny tenindrazana. Tsy zava-baovao izany fa efa lamina voajanahary. Ny Malagasy, miteny, mitafa, miresaka, mivölagna, mitarogna, sns, amin’ny teny malagasy. HaRy Razafindrakoto