Mila lamina
2026-03-16 - 04:37
Tsy hita be ihany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Misy ny fahabangan’ny andrimpanjakana toy ny goverenemanta sy ny Ceni. Misy ny mangitakitaka, fa ao koa ny mibitaka fa mirangorango seza. Sitrany ahay akalana. Fandaminana ho aminn’ny fanavaozana na fanovana izany? Taotrano tsy vita indray andro na efan’ny irery. Vao mainka ny firenena na ny Repoblika hoe havaozina... Samy manana ny filazany? Na izay mahamaika azy... Ao anatin’izany, nahabe resaka tato ho ato any amin’ny hoe fangejana fitondrana na fanjakana. Olom-bitsy no hoe manao ampihimamba. Tsy ny fanjakana ankapobeny ihany no iharan’izay hoe fangejana afitsoky ny olom-bitsy izay? Saika ny isan-tsehatra na ambaratonga sasany: misy mivolon-ko tompony, manjakazaka, tsy miala na tsy azo esorina... Mila iadiana? Izay no maha zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena isan-tsehatra: iza na inona no manao ampihimamba, tsy mampandroso... ? Izay fandiovana ny isan-tsehatra izay no hahazoana antoka ny fanorenana ifotony ny Repoblika na ny firenena. Fotoana izao, tsy isoronana fa hanapotserana ny vay hatrany amin’ny fakany... Indrindra hitondrana vahaolana ho amin’ny fanorenana ifotony na fanavaozana. Amin’ny fomba ahoana? Eo izao... Lazaina ny hoe tsy kely lalana ny ratsy: manana tambajotra, miray hina, mifampiaro... Ahoana ny tsara sitrapo te hanova? Mila sahy, vonona, mitambatra, maharitra hatramin’ny farany amin’izay atao... Ndrao mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran’ny rambony? Sanatria. Ady tombontsoa no antony sy tao ambadika hatramin’izay. Misy manao lova tsy mifindra ny amin’izany? Izay no iadiana, iraisana hina, ahasahiana... Mila lamina vaovao ny firenena, ny isan-tsehatra sy ambaratonga. Izay raha tena hanao fanovana sy fanavaozana? Ny manova no mety... R. Nd.