TheMadagascarTime

Minisiteran’ny Asa: Hisy tolotrasa ho DG an’ny Cnaps

2026-01-31 - 07:08

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Asa, ny fampanana asa ary ny asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Leonne, fa tsy maintsy hapetraka ny tale jeneraly vaovao (DG), hitantana ny Cnaps noho ny fahabangan-toerana. Anton’izany ny fametraham-pialan’ny mpitantana teo aloha. Manoloana izany, napetraka aloha ny fitantanana vonjimaika. «Tsy azo haato ny fandoavana karaman’ny mpiasa sy ireo rehetra mpisitraka ny volan’ny Cnaps. Eo koa ny fampandehanan-draharaha. Voafetra amin’ny fe-potoana fohy ihany anefa izany», hoy izy tetsy 67 Ha, omaly. Hivoaka ny 3 febroary izao, noho izany, ny antso tolotrasa ho DG ho an’ireo liana amin’izany. Efa nametraka ny lamina momba izany ny eo anivon’ny filankevi-pitantanana (CA) ka hatao ao anatin’ny mangarahara avokoa ireo dingana rehetra. Anisan’izany ireo vaomiera enina handinika ny antontan-taratasy. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny Bianco ialana amin’ny ahiahy samihafa, araka ny nambarany hatrany. Synèse R.

Share this post: