TheMadagascarTime

Minisitra Franconion Mac Denis : « Vonona hiasa ao anatin’ny fanavaozana isika »

2026-03-27 - 04:53

Nambaran’ny minisitra vaovao, misahana ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Franconion Mac Denis na i « Coco » fa sambany aminy ny toerana sy andraikitra noraisina izao. « Vonona isika hiasa ao anatin’ny politikan’ny Fanavao­zana. Efa nitantana teny anivon’ny kaominina izahay ary nanao vikin-dava ary izao tonga eto amin’ity minisitera be velarana sy midadasika ity izao », hoy izy, tetsy amin’ny biraon’ny minisitera, 67Ha, omaly. Nanteriny fa tsy hitaraina amin’izao andraikitra maha minisitra izao nefa koa miantso fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny politikan’ ny fanjakana, napetraka aminy. Tsy vitany samirery izany fa miandrandra ireo mpiasa, tompon-trano ny tenany amin’izany. « Tsy tokony hiseho ny fifandirana na fikorontanana. Tsy handrava ny efa milamina isika fa hanohy ny efa natomboka», hoy izy. Tsy midika anefa izany fa hanao ny tiany hatao ny tenany fa mbola eo ny toromarika arahina amin’ny mpanendry sy ny fanarahana ny politikam-pitantanana ny minisitera, araka ny nambarany. Nana­mafy ny fanomezan-toky sy ny fahavononany ho amin’ny fanatsarana ny minisitera ny tenany ao anatin’ny fanavaozana. Notsiahiviny avy eo, tamin’ny famindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Florent Soatiana Betty Leonne, fa efa voarakitra anaty boky ny antontan-kevitra eo anivon’ny minisitera. Noderainy manokana ity mpitantana teo aloha ity tamin’ny fahaiza-miasa nananany. « Tonga anefa ny fotoana, noho ny fandaharana. Tsy fanombohana izao fa fanohizana. Ny nataonao omaly hotohizako anio ary hodimbiasan’izay ho ampitso », hoy izy. Tatiana A.

Share this post: