« Mpanakanto Miray Feo »: Haneho firaisankina ho an’i Toamasina
2026-02-19 - 04:37
Sady nanamafy ny antom-pisiany no naneho firaisankina ho an’ny mpiray tanindrazana ireo Mpanakanto Miray Feo. Seho 3 aloha no hanombohan’izy ireo ny fanampiana an’i Toamasina. Ny 20 febroary, ao amin’ny La City Ivandry sy etsy amin’ny le Glacier Analakely. Ny 21 febroary kosa, ao amin’ny Le Glacier ihany, samy amin’ny 8 ora alina. Ireo seho telo mandritra ny roa andro ireo aloha no tapaka fa hotontosain’ireo mivondrona ao amin’ny Mpanakanto Miray Feo eto Madagasikara, ho fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana traboina any Toamasina. Ankoatra ny vidim-pidirana, hisy vata handrotsahana izay foy ihany koa amin’ireo toerana ireo, ka ny vola azo dia harotsaka manontolo ho fanampiana avokoa. « Ny talenta no azonay omena, hanehoanay ny firaisankina amin’ireo havantsika traboina », hoy i Jaojoby, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Analakely. Anisan’ireo mpanakanto zokiny henoin-teny anatin’ny fikambanana izy. Miray hevitra, miray feo amin’i Jaojoby ireo namany, izay efa maro no nanolo-tena handray anjara amin’ireto seho telo ireto. Ao ry Melky, Stephanie, Ceasar, Jaojoby, Black Nadia Ary Wawa, ny 20 febroary ao amin’ny La City. Etsy andaniny, ry Wendy Cathalina, Lôla, Jerry Marcoss ary Lico Kininike kosa ny ao amin’ny Le Glacier. Hotohizan-dry Ckyky, Ndondolah sy Lucia, Sisca, Stéphanie, Fandrama, Dadi Love, Tanjona R, izany ny ampitson’io. Tsiahivina fa fikambanana teraka taorian’ny hetsi-bahoaka ny faramparan’ny taona 2025 teo ny Mpanakanto Miray Feo eto Madagasikara. Fanamafisana ny firaisankina eo amin’ny samy mpanakanto sy fanehoana ny maha olon’ny fiarahamonina azy ireo no tanjona amin’izany. Mahatsiaro manana tamberin’adidy amin’ny mpiray tanindrazana izy ireo ka fantatra fa mbola andiany voalohany ihany izao, fa hisy ny manaraka. Tsy ireo ihany fa mahatratra maherin’ny 400 mantsy ireo mpikambana, ary mbola misokatra izany. Zo ny Aina