TheMadagascarTime

Mpanatitr’entana voatsatoka antsy : Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

2026-02-20 - 04:26

Notsatohana antsy indroa tao amin’ny faritry ny lamosiny sy ny feny, naratra mafy ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly, ny lehilahy iray mpanatitra entana, teny amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Alasora, afakomaly. Nitondra bisikileta io lehilahy izay avy eny Ankadikely Ilafy io. Nitondra entana efa nisy nanafatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera izy ary hanatitra izany. Nandrasan’ny olon-dratsy ta­min’ny toerana mangingina anefa izy. Niharan’ny fanendahana. Namoaka zava-ma­ranitra ilay mpanao ratsy ka nitady hevitra hamelezana azy. Vokany, voa teo amin’ny faritry ny lamosiny sy ny feny io mpanatitra entana io. Nika­sa haka ny vola rehetra teny amin’ity farany sy ny entana sasantsasany ilay mpanao ratsy. Niantso vonjy Nandritra io famonoana olona io, nihevitra ilay mpandroba fa lavo tanteraka ilay voatsatoky ny antsy. Afaka ni­antso vonjy anefa io mpanatitra entana io na dia teo aza ny fahavoazany. Nikoropaka ny fokonolona teny amin’ny manodidina ary nifanenjehana ilay nahavanon-doza. Nidina ifotony nijery ny zava-misy koa ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimaria. Tsy lasa alavitra, tratra ilay mpamono olona. Tovolahy vao erotrerony, 21 taona, io voasambotra io. Efa mpanao asa fanendahana amin’iny faritra iny izy, araka ny loharanom-baovao. Nentina natao famotorana avy hatrany ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Tsiferana R.

Share this post: