Mpatory an-dalana : Lehilahy iray hita faty tetsy Anosy
2026-03-12 - 04:17
Nahitana fatin-dehilahy iray manodidina ny 40 indray tetsy Anosy, anelanelan’ny fivarotana voninkazo sy ny lalamby, omaly tamin’ny 6ora maraina. Mpivarotra vao maraina no nahita olona natory ary efa tsy misy aina intsony, ka nampandre ny tomponandraikitra. Raha ny fitantaran’ny olona teny amin’ny manodidina, heverina ho olona tsy manana trano hitoerana sy honenana io olona hita faty io. Tsy fantatra mazava ihany koa ny anton’ny nahafaty azy fa izy efa maty no tsikaritry ny olona teny amin’ny manodidina. Tonga teny an-toerana naka sy nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH. Teny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny polisim-pirenena CSP 5 Mahamasina. Tsy mbola tonga teny an-toerana kosa ny havany hatramin’ny omaly. Raha ny mombamomba azy dia tsy mbola fantatra, araka ny fanazavana voaray hatrany. Tsy nahitana ratra ny vatany, saingy tombanan’ny olona ho narary ny fahitana azy, raha ny fahitana azy. Tsiahivina fa ahitana olona maty matetika eny amin’iny faritra iny. Ankoatra io lehilahy io, vehivavy iray no hita faty teny an-toerana tamin’ity taona 2026 ity. Mino