TheMadagascarTime

Naiditra am-ponja : Vehivavy 32 taona nisoloky 136 tapitrisa Ar

2026-03-12 - 04:17

Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antani­mora, afakomaly 10 marsa 2026 lasa teo, ny vehivavy iray 32 taona. Taorian’ny fampiakarana fampanoavana azy teny anivon’ny fitsarana Ano­sy, afakomaly ihany. Voa­ro­hi­rohy tamin’ny resaka fisolokiana vola sy fisandohana andrai­kitra ary ny filazana fa afaka mampiditra olona ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena syn y vola izy io. Olona maro no efa voasolokiny nandritra io asa ratsy nataony io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Nitory sy nanao fitarainana teny anivon’ny polisim-pirenena ny olona efatra tamin’ireo voasoloky. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny polisy eo anivon’ny Service central des investigations économiques et financières (Scief) etsy Anosy. Vokany, voasambotra tany Antsirabe, ny 3 marsa 2026 lasa teo, ny tenany. Nahavoangona vola 136 tapitrisa Ar Nilaza fa manana havana miasa ao amin’ny Finance izy ka afaka manampy amin’ny fampidirana olona ho mpiasam-panjakana na amin’ny famindrana toerana amin’ny alalan’ny “poste budgétaire”, raha ny angom-baovao nataon’ny polisy mpanao famotorana azy. Akany vola mifanesisesy, araka izany, ireo olona solokiany. Nahatratra 136 000 000 ariary ny vola voaangony tamin’izany fisolokiana izany. Efa nisy raharaha mitovitovy tamin’izao ihany koa ny taona 2019 nanenjehana azy. Niaiky ny heloka vitany ity ramatoa ity rehefa nohadihadian’ny polisy. Marihina fa efa nanomboka ny volana oktobra 2025 lasa teo ity vehivavy ity no no­karo­hina ary izao vaosambotra sy nalefa eny am-ponja izao. Ta­fiditra ao anatin’ny ady amin’ny heloka ara-toekarena sy ara-bola izao hetsika izao. Mino

Share this post: