Nariana tao ambany lavarangana : Tovolahy hita faty, nokendaina tamin’ny kofehy
2026-02-17 - 04:28
Nisy nanipy teo ambany lavaranga ny fatina tovolahy iray, ny faran’ny herinandro lasa teo, tany amin’ny kaominina Alakamisy, Antsirabe II. Nodoran’ny fokonolona kosa ny tranon’ilay ahina ho nahavanon-doza. Karohin’ny manam-pahefana nanomboka ny zoma 13 febroary teo, ny lehilahy iray ahina ho namono nahafaty tovolahy vao 15 taona monja tao amin’ny fokontany Soamahatamana, kaominina Alakamisy, distrika Antsirabe II. Naharay fitarainana ny zandary momba ny tsy fahitana an’ilay tovolahy, ny alakamisy 12 febroary lasa teo. Nikaroka tamin’ny fokontany manodidina sy ny toerana noheverina ahitana azy ny ray aman-drenin’ilay zazalahy saingy tsy nahitam-bokany. Naharay antso tampoka ny zandary, ny alin’ny zoma 13 febroary, fa hita saingy tsy misy aina intsony ilay tovolahy. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana. Nizaha ny vatana mangatsiaka ny mpitandro filaminana. Hita faty teo ambanin’ny lavarangana an’olona ilay zaza. Misy faritra tady ny tendany. Ahin’ny mpanao fanadihadiana ho niniana nokendaina izy. Fitsaram-bahoaka Mponina ao an-tanàna ihany no tompon’ny trano nahitana ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Tsy hita tao an-toerana intsony anefa izy, tamin’ny fotoana nahitana ny razana teo ambanin’ny lavarangana. Niezaka nitady azy ny fokonolona. Nametraka feno ny ahiahiny tamin’ny tompon’ny trano ny mponina ao anatin’ny kaominina Alakamisy. Nanampatra ny hatezerany izy ireo, nodorany ny trano fonenan’ilay ahina ho nahavon-doza. Notanana natao famotorana avokoa sady ho fiarovana ny ain’izy ireo ny olona iray trano tamin’ilay lehilahy karohina. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana izay sahanin’ny zandarimaria. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny antony nahatonga ny vono olona. Tsiferana R.