TheMadagascarTime

Nate Tex : “Za”, rakikira mitantara fiainana…

2026-01-25 - 21:08

Taona maro taty aorian’ny vokatra voalohany, tontosa ny rakikira faharoan’i Nate Tex. Hampahafantariny an-tsehatra ny “Za”. “Tena Zava-dehibe loatra amiko ity. Mitan­tara fiainana be ilay rakikira...”, hoy i Nate Tex, omaly, tetsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Fo­toana nampahafantarany ta­min’ny fomba ofisialy ny fahatontosan’ilay rakikira faharoa io. Tsikaritra tamin’ny endrik’i Nate Tex ny fihetseham-pony, raha nanazava ny mombamomba ity vokatra vaovao ity. Ny “Za”, izay efa nahenoana sombiny, dia efa milaza zavatra betsaka. Voarakitra ao koa ny “ATF” niarahan’i Nate Tex sy i Bolo, izay mifono hafatra mipaka amparahatoka, nivo­aka herintaona lasa izay. Ny ankamaroany amin’ireo hira 12 voarakitra kosa dia vaovao amin’ny mpankafy avokoa. “Tia”, niarahany amin’i Micky, tsy mila voaboasana intsony. “Romana 12-12”, fampiaraham-peon’i Nate Tex sy i Benson, “Tamy”, “Impito”, sns, hira vao hogohan’ny mpanjifa tsy ho ela ireo. “Niara-namboly, niara-na­nokona sy niketrika ny rakikira izahay tarika iray manontolo. Hilazana fa nanokananay fotoana mba ny kanto indrindra no hozaraina”, hoy i Fy Rajaofetra, mpitendrin’ny ta­rika Nate Tex efa an-taonany maro. Hivoaka amin’ny endriny USB aloha ny rakikira, mialoha ny hivoahany anatin’ireo fanjifana rakikira an-tambajotra rehetra. Hisy ny seho fampahafantarana ny “Za”, hotontosaina ny alahady 8 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Toerana mirakitra tantara mamy eo amin’ny tarika Nate Tex sy ireo mpankafy izy ity, nitondrana ny “Zara Kanto” tamin’izany ka izao mbola hizarana ny tohin’ ny lalana izao indray. “Haha­ritra ora 3 eo ny seho. Hampa­hafantarana ny rakikira, fa tsy maintsy hizarana ireo hira hatrizay ihany koa. Ny azonay antoka dia hataonay tsara ny lafiny teknika rehetra, ho mendrika an’ity tetikasa lehibe ity”, hoy ny nambaran’i Hasina avy ao amin’ny Sary sy Feo.Mg. hifarimbonan’izy ireo amin’ny Grace Event izay fanatanterahana izay. “Ankoatra ireo nandray anjara anaty rakikira, hisy mpanakanto mbola tsy hita an-tsehatra niaraka ta­min’i Nate Tex koa ho avy eo”, hoy ny fanazavana. Zo ny Aina

Share this post: