Nikasa hangalatra voninkazo : Lehilahy roa voasambotry ny zandary tetsy Itaosy
2026-01-29 - 06:04
Voasambotry ny zandary tetsy Itaosy ny lehilahy miisa roa, afakomaly alina. Nikasa hangalatra voninkazo tao amin’ny trano iray andalam-panamboarana eny an-toerana izy ireo. Lehilahy roa saika hangalatra voninkazo, tratra teny Ankaraoka, fokontany Vonelina, kaominina Fiombonana, Itaosy, afakomaly 27 janorary 2026, tamin’ny 11 ora alina. Efa hitan’ny fokonolona sy ny mponina teny amin’ny manodidina, nihaodihaody teny an-toerana, izy ireo ny atoandro. Nampiahiahy izany, ka nanara-maso azy ireo ny mponina. Nanaovan’izy ireo tamberina anefa ny trano iray tsy misy mipetraka ny alin’io. Nitsambikina avy eny ambony tamboho izy ireo ary niditra sy nivezivezy tao an-tokotany. Nisy nahatsikaritra izany, ka nampandre ny zandary miasa ao amin’ny zanatobim-patitra Ankadimanga, tobim-paritra Itaosy. Vory lanona haingana ihany koa ny fokonolona vantany vao nahare ny tranga. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ireo manam-pahefana taorian’izay. Efa nihaodihaody teny an-toerana Nasaina nivoaka moramora ireo lehilahy roa ireo, rehefa voahodidin’ny zandary miisa valo sy ny fokonolona ny toerana. Raha ny fanazavana voaray, nikasa hangalatra voninkazo tao amin’io tanàna iray io izy roa lahy ireo. Anisan’ izany, ny voninkazo antsoina hoe: «Canne des muets» (dieffenbachia), «Géranium», «Plante araignée» (chloropythum comosum), «Arbre parapluie» ary «Aloe» sy «agave» ary voninkazo madinidinika hafa. Marihina fa trano andalam-panamboarana ity nokasain’izy ireo hangalarana ity. Nahitana simenitra sy bois rond maro tao anatin’io trano io. Heverina ho saika hangalatra ireo fitaovana fanamboarana trano ireo ihany koa izy roa lahy ireo. Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria, eny Itaosy moa, izy ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana atao azy ireo. Mino