TheMadagascarTime

Noely Sakelidalana: Hotsaroana an-kira ny Raharaha 1947

2026-03-24 - 04:53

Feo miavaka tsy manam-paharoa. Nandravaka ireo hira mandona fanahy, mamelombelona ny fitiavan-tanindrazana. Izany no nahafantarana an’i Noely Sakelidalana. Hoentiny an-tsehatra mandritra ny fahatsiarovana ny 29 marsa izany. Raha vao hoe Sakelida­lana, i Noely no mby ao an-tsaina. Raha vao ma­heno Sakelidalana ihany koa, dia ireo hira maneho ny tolom-panafahana nandritra ny Raharaha 1947 no heno manakoako any am-parahatoka any... Ireny hira ireny no niakarany an-tsehatra voalohany, ary mbola hizara sy hampahatsiaro izany i Noely Sakelidalana, 61 taona aty aoriana. Hisy ny fampisehoana izay hataony ny alahady 29 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Havoria Anosy. “Hataonay daholo izay hira nahafantarana sy nankafizanareo an’izany Noely Sakeli­da­lana izany. Hiverenana an-kira izay 61 taona niakarako an-tsehatra izay”, hoy ny nambaran’i Noely. Mazava loatra fa ireo hiran’ny tolona maneho fitiavan-tanin-drazana mivaivay no ho maro amin’izany. Anisan’ireny ny “Tao anatin’ny tolona”, “Ry Gasikara ô”, sns. Misy sady maro koa anefa ireo hira miresaka lohahevitra maro. Nalaza indrindra ny “Voahangy”, “Fitia manalasala”, “Nandalo teto ve?”, “Lala­na mody”, sns. Tsiahivina fa nanomboka tao amin’ny tarika Rakotoza­nany Stanislas i Noely. Ani­san’ireo nanangana ny tarika Ny Sakelidalana taty aoriana ihany koa izy, ary mpikambana tao nandritra ny taona maro. Nirona tamin’ny hira ara-pilazantsara ny tarika Noely, nitondra ny anarany manokana. Manohy hatrany ny Noely sakelidalana ihany koa anefa. Zo ny Aina

Share this post: