TheMadagascarTime

Noho ny ady any Iran: Mety hisondrotra ny vidin-tsolika amin’ny avrily

2026-03-30 - 04:43

Miova isam-bolana ny vidin-tsolika eto amintsika, manaraka ny tsena iraisam-pirenena. Azo heverina fa tsy maintsy hisondro-bidy izany amin’ny volana avrily, noho ny fidangany vokatry ny ady mbola mitohy any Iran. Tafakatra 110 dolara ny vidin’ny iray barila (1b=159 litatra) amin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena « Brent », ny 26 marsa teo. Tsy mitsaha-miakatra io vidiny io, nanomboka tamin’ny fotoana nipoahan’ny ady, nanafihan’ny amerikanina sy israeliana an’Iran, ny 28 febroary teo, izay 70 dolara/b. Tena miantraika mivantana amin’ny vidin-tsolika eto amintsika io ady any Iran io satria manaraka ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no ampiharina, nanomboka ny janoary 2025. Ovaina isam-bolana ny vidiny, ka tsy mahazo mihoatra na latsaky ny 200 Ar/litatra, araka ny fifanarahana natao tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Izany hoe, azo heverina fa mety ho lasa 5 100 Ar ny litatry ny lasantsy SP95, raha 4 900 Ar/l izao. Ho 3 710/l ny gazoala raha 3510/l, ankehitriny ary ho 4 860 Ar/l ny solitany fandrehitra, raha 4 660 Ar/l izao. Tsotra ny antony, efa nipoaka ny ady tany Iran no nanainga tany Oman, firenena akaiky azy, ny sambo mpitatitra solika mankaty Mada­gasikara. Izany hoe, efa vidiny lafo no nividianana azy tany am-potony. Miova isaky ny faha-5 ny volana eo ho eo ny vidin-tsolika eto amintsika, izany hoe, tombanana hihatra ireo amin’ny 5 avrily ho avy izao. Tsy mihetsika ny sandan’ny dolara Vidiana amin’ny dolara ny solika afaran’i Madagasikara any ivelany. Anisan’ny miantraika any amin’ny vidin-tsolika ampiharina eto amintsika, araka izany, ny fiovaovan’ny sandam-bolantsika miohatra amin’ny dolara. Marindrano, tsy nihetsika firy anefa ny Ariary raha oharina amin’ny dolara, tamin’ity volana marsa ity. Nisanda 4 181 Ar ny dolara tamin’ny 27 febroary, iray andro mialoha ny nipoahan’ny ady any Iran. Tsy nifanalavitra amin’io, fa 4 167 Ar ny sandan’ny 1 dolara, ny 27 marsa teo. Midika izany fa mety hifanakaiky amin’ireo voalaza etsy ambony ireo ny vidiny hihatra eto Madagasikara amin’ity volana avrily ity. Njaka Andriantefiarinesy

Share this post: