Nosimbain’ny vahiny : Diso fahavalo ny vehivavy malagasy
2026-03-06 - 05:16
Tsy nety sy tsy nifanaraka tamin’ny foto-pisainana vahiny ny fametrahana ny vehivavy ho loharanon’ny taranaka (miteraka, mitaiza, manabe). Nezahin’izy ireo nopotehina izany. Ho an’ny Malagasy, tsy mety ny «vehivavy fotsy varavarana». Ho an’ny vahiny, mila mivoaka ny trano miasa ny vehivavy hanampy ny lehilahy. Nampidirin’izy ireo ihany koa ny karazana ohapitenenana hanairana ny vehivavy malagasy «haka» ny toeran’ny lehilahy fa tsy hijanona ho loharanon’ny taranaka intsony. «Ny vehivavy, fanaka malemy», «ny vehivavy, kofehy manara-panjaitra», sns. Nanana ny akony goavana tamin’ny vehivavy malagasy ireny. Tsy niompana tany amin’ny fanabeazana ny taranany intsony ilay «loharanon’ny taranaka» fa nikatsaka izay hampitovy azy amin’ny lehilahy. Nitsipaka sy miezaka mafy ny handika ny lamina voajanahary. Vokany, vitsy sisa ny taranaka Malagasy no tsara taiza. Tsy mahagaga raha potika tahaka izao ny firenena (avy amin’ny «reny» no niavian’io anarana io). Tsy mandray ny adidiny amin’ny maha mpitaiza sy mpanabe azy intsony ny vehivavy malagasy fa manompana ny ezaka ataony ho any amin’ny fihantsiana ny lehilahy. Diso fahavalo! Taorian’ny fiadiana ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, efa voizina eto indray izao ny «mira lenta» satria io no malaza any ivelany. HaRy Razafindrakoto