TheMadagascarTime

Ny diarin’i Anne Frank : Natolotry ny ViMa ny tranombokim-pirenena

2026-02-06 - 04:48

Voadika amin’ny teny malagasy ilay boky malaza maneran-tany “Le journal d’Anne Frank”. “Ny diarin’i Anne Frank” ihany no lohateniny, izay nadikan’i Michèle Rakotoson sy Riambola Mitia. Vita printy ary efa mivoaka amin’ny fomba ofisialy ihany koa ity boky vo­katry ny voan-kevitr’i Zouzar Bouka, filohan’ny Vision Ma­dagascar (ViMa) ity. Natolotra ny tranombokim-pirenena etsy Anosy ny boky, izay hiparitaka amin’ireo tranomboky maro manerana ny Nosy. Tanjona, amin’izany, ny hahafantaran’ny rehetra ny tantara fonosin’ny “Diarin’i Anne Frank”, in­drindra ireo mpianatra. Na­nambara i Zouzar Bouka fa faniriany raha toa ka tafiditra anatin’ny fandaharam-pampianarana ity boky anisan’ny harembakoka iraisam-pirenena ity. Maneho ny tantarana to­vovavy jiosy iray, 14 taona, ni­aina ny fanenjehana sy ny fandringanana nataon’ny Na­zia tamin’ny taona 1942 hatramin’ny 1944 ny boky. Niafina tao anaty lozoka nandritra ny roa taona, tsy nanan-kery hiaro tena... Efa voadika amin’ny fiteny maherin’ny 70 maneran-tany ity boky ity. Efa natao teatra sy sarimihetsika ihany koa. Voasoratra ao anatin’ny Rejisi­try ny fahatsiarovana iraisam-pirenena ho an’ny Unesco, ho lova ara-taratasy manan-danja ho an’izao tontolo izao, nanomboka ny taona 2009 ny “Ny diarin’i Anne Frank”. Zo ny Aina

Share this post: