TheMadagascarTime

Olana ara-tsakafo : Nanao antso fanampiana iraisam-pirenena ny fanjakana

2026-02-05 - 11:48

Ho mafy kokoa ny krizy ao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana satria ao anatin’ny fotoana maitsoahitra isika izao, hatramin’ny volana avrily. Nanomboka ny faran’ny taona 2024 ka hatramin’ny taona 2025, niharan’ny loza voajanahary ni­sesy ireo faritra ireo, nisedra haintany sy rivodoza niteraka tondradrano. Vokatr’izay, 98% olona no iharan’ny olana ara-tsakafo, mahavoakasika olona 1,5 tapitrisa ka ny 70 000 amin’ ireo tena anatin’ny krizy ma­hery vaika, araka ny fanadi­hadiana momba ny tsy fanjarian-tsakafo, ny volana jolay sy desambra 2025 lasa teo. Tom­banana hihamafy ny krizy amin’ity volana febroary ity ka olona mahatratra 70 000 vaovao indray no tafiditra anatin’ ny hamehana manomboka amin’ity volana ity, hatramin’ ny volana avrily ho avy izao (niakatra ny isa raha ampitahaina amin’ny tombana napetraka ny volana jolay 2025). “Distrika 18, amin’ny 23 no efa iharan’ny krizy ara-tsakafo ary roa hafa efa anatin’ny hamehana ka mampanahy ny zava-misy”, hoy ny tomponandraikitra. Mila fitsaboana haingana ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika mi­isa 270 000, hatramin’ny vo­lana avrily ho avy izao. Ao amin’ny distrikan’Ikongo ma­no­kana, nitombo 150 % ny fandraisana ireo zaza tratran’ ny tsy fanjarian-tsakafo ma­hery vaika tao anatin’ny telo volana farany, noho ny fiakaran’ny tahan’ny aretina tazo. Hiatrehana ny zava-misy, napetraka ny drafitrasa mifototra amin’ny maha olona ka ny BNGRC no hitarika ny asa miaraka amin’ireo mpiantsehatra samihafa hatramin’ny volana avrily. Nanao antso fanampiana iraisam-pirenena ny fanjakana malagasy hitondrana vahao­lana haingana satria tsy ampy ny hoenti-manana eto an-toerana hamonjena ireo olona 1,5 tapitrisa ireo. Mbola mila vola hatramin’ny 80 tapitrisa dolara ny mpiantsehatra ha­natanterahana ny asa maika, indrindra ao anatin’ny vanim-potoana maitsoahitra. Vonjy

Share this post: