TheMadagascarTime

Oniversite : Toamasina Ilàna fitantanana mangarahara

2026-02-10 - 04:48

Tafapetraka tamin’ny fi­tantanana ny Oniversi­ten’i Toamasina, ny Dr Razanakolona Diny, ny alakamisy 29 janoary 2026 lasa teo. « Ilàna fitantanana mangarahara mifototra amin’ny fanajana ny maha olona, ny mpianatra sy ny mpanabe ary ireo mpikaroka ny fitantanana ny oniversite eto Madagasi­kara », hoy ny filohan’ny Oni­versiten’i Toamasina. Namba­rany fa ilàna fanoloran-tena sy fahafoizan-tena, atosiky ny ady amin’ny kolikoly sy tsy misy fanavahana ny zanaka malagasy ny fitantanana ny oniversite eto Madagasikara. Azo lazaina ho tanora indrindra izy tamin’ireo rehetra nifandimby teo. Mpianatra tao Barikadimy ny tenany no lasa filohan’ny Oniversite Barika­dimy. 110 ny isan’ny mpampianatra mpikaroka tamin’ny efa-taona lasa. Efa mahatratra 202 izany amin’izao. Ankoatra izay, niakatra ny isan’ny mpianatra ka antony nananganana sampan’ny oniversite any Fe­noarivo Atsinanana, Maroan­tsetra, Vatomandry, Mora­manga, Ambatondrazaka ary ny École doctorale diversité et développement durable. Anisan’ny nanamarika ny fitantanan’ny filohan’ny Oni­versiten’i Toamasina ihany koa ny hamaroan’ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo mpianatra nahavita fiofanana. Sajo

Share this post: