TheMadagascarTime

ONSFM : Zana-kazo 1 000 fototra nambolena

2026-02-24 - 04:35

Mandray anjara amin’ny fanatsarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny Holafitry ny mpampivelona eto Mada­gasikara. Nandrakotra zana-kazo miisa 1 000 fototra teny amin’ny fokontany Ambohibe­ma­soandro, kaominina Talata Volonondro, ireo rasazy ma­nodidinana ny 300, ny faran’ny herinandro teo. «Miainga avy amin’ny fahadiovan’ny tontolo iainana ny fahasalamana, ka rariny raha manatanteraka ny adidy amin’izany izahay», hoy ny filohan’ny ONSFM, Rasoanai­vo Tiana Malala José Oliva. Olom-pirenena rahateo ny mpampivelona ka manatanteraka ny fanajariana ny tontolo iainana. Nandritra ny hetsika no nanentanan’ny filohany ny hidiran’ireo mpampivelona rehetra anatin’ity rafitra ity. Maro ireo olona milaza ho mpampivelona kanefa tsy manana diplaoma sady tsy nianatra ny amin’izany akory. Ho fisorohana ny mpisandoka dia tokony hiditra anaty holafitra avokoa ireo matihanina rehetra. Ireo mpampiasa ny rasazy rehetra manerana ny Nosy dia mila mangataka karatra maha rasazy matihanina, hanaporofoana fa tena azo antoka sy ara-dalàna izy. Tatiana A

Share this post: