TheMadagascarTime

ONU SY IFRC : Hanampy amin’ny fanorenan-trano

2026-02-14 - 05:29

Nanolotra vola mitentina 1 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant-Rouge (IFRC). Hanome tohana koa ny Firenena mikambana. Nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Ra­jaonarivelo Herintsalama An­driamasy, tamin’ny tale kabinetra lefitra ny sekretera jeneraly misahana ny maha olona eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant-Rouge (IFRC), Christopher M. Rassi, tany Suisse, no nahazoana izany. Manoloana ny fahavoazana goavana, nanambara ny IFRC fa avoaka avy hatrany amin’ny tahirimbola voatokana iahiana ny loza voajana­hary io vola io, hanohanana haingana an’i Madagasikara. Hifantoka amin’ny fanomezana trano vonjimaika, fitsaboana sy fahasalamana, rano fisotro madio, fahadiovana, ary fiarovana ireo olona marefo ny fanampiana. Ankoatra izay, hisy koa ny antso fanangonam-bola iraisam-pirenena mitentina 7 500 000 CHF havoaka tsy ho ela, hanamafisana sy hanitarana ny asa fanampiana. Nohamafisina fa ilaina ny fandrindrana akaiky iarahan’ny governemanta malagasy sy ny Croix-Rouge Malagasy ary ireo mpiara-miombon’antoka hahatongavan’ny fanampiana amin’ny fomba mangarahara any amin’ireo tokony hisitraka izany. 5 tapitrisa dolara avy amin’ny Firenena mikambana Ho fanohanana an’i Mada­gasikara hatrany, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa, Fytia sy Gezani, hanome vola mitentina 5 tapitrisa dolara, nalaina tamin’ny tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny hamehana (CERF) ny Fire­nena mikambana. Hozaraina roa ny fanampiana. Natokana ho an’ny faritra Boeny, hampiasaina hanohanana olona 30 000 amin’ny sehatra marolafy ny sorabola 2 tapitrisa dolara. Ny 3 tapitrisa ambiny kosa efa nahetsika hanatanterahana ireo asa fiomanana fototra mialoha ny nahatongavan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina. Hitohy mandritra ny volana maromaro ny asa natomboka tany Toamasina ary hiantefa amin’ny olona 93 000 izany. Vonjy

Share this post: