TheMadagascarTime

Orange solidarité : Vehivavy 109 nahazo mari-piofanana

2026-03-21 - 05:03

10 taona ny hetsika fanohanana ny fizakan-tenan’ny vehivavy miaraka amin’ny orinasa Orange, amin’ny alalan’ny fikambanana Orange solidarité Madagascar. Maro ny fandaharanasa mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy sy ny zatovovavy ahafahany mivelatra ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nisy ny famoahana ireo vehivavy manana fahasembanana na­havita fiofanana teny anivon’ny Maisons digitale d’Anala­manga, eny Soamanan­dra­riny, tamin‘ity herinandro ity, teny Andohalo. Nampaha­fantarina teny an-toerana koa ny fiofanana Mivoatra mandritra ny enim-bolana momba ny fandraharahana sy ny fitantanam-bola. Mitondra tetikasa ireo vehivavy, izay tokony hitondra fivoarana ho an’ny fiarahamonina ka hisy ny sivana ho an’ireo hisitraka ny tohana, araka ny fanazavan’ ny filohan’ny Orange solidarité, i Benja Arson. Mbola tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena momba ny zon’ny vehivavy sy ny fankalazana ny taombaovao malagasy ny lanonana teny amin’ny Kianjan’Andohalo. 45 ny maisons digitales manerana ny Nosy ka ireo any ambanivohitra mitodika kokoa amin’ny fambolena sy ny fiompiana raha momba ny informatika sy ny niomerika ary ny fandraharahana kosa ho an’ny an-tanàn-dehibe. Misy fanampiana avy amin’ny Orange solidarité hanosehana ireo vehivavy nahazo fiofanana ary miara-miasa amin’ny rafitra misahana ny fampindramam-bola koa izy ireo hanamorana ny fahazoan’ny vehivavy tosika amin’ny zanabola tsy midangana. 109 ireo vehivavy nahazo ny taratasy mari-piofanana ka ny 68 avy amin’ny Maisons digitales an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny 40 kosa niofana niaraka tamin’ny ONG Merci. Nan­kasitrahina koa ireo vehivavy mitondra fanovana, ahitana ireo mpampiofana an-tsitrapo. Nisy lehilahy fito manao tantsoroka ny vehivavy. Vonjy

Share this post: