TheMadagascarTime

Orinasa QMM : 100 tapitrisa dolara ho an’ny RSE

2026-03-07 - 05:26

Fandraisana anjara amin’ny lafiny sosialy ny Andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ataon’ny orinasa QMM Taolagnaro, fa tsy fizarana vola. Tanjona ny hanatsara amin’ny fomba maharitra ny toe-piainan’ny mpiara-monina. Mitentina 100 tapitrisa dolara ny natokana, nanomboka ny taona 2023, ampiasaina mandritra ny 25 taona. Fandraisana anjara betsaka indrindra eto Madagasikara ho an’ny RSE io tetibola io, nanoloana ny 10 tapitrisa dolara, nampiasaina nandritra ny 3 taona, tamin’ny taona 2022. Ho an’ny QMM, zava-dehibe ny fahatoniana ara-tsosialy sy ara-pamokarana. Eo koa ny fandoavana ny tamberim-bidy ho an’ny fanjakana sy ny eo an-toerana. Hatsaraina ny famokarana amin’ity taona 2026 ity, na teo aza ny zava-misy eo anatrehan’ny tsena. Hajaina ny zo maneho hevitra, saingy tsy ekena kosa ny fanakanan-dalana. Vonona hatrany ity orinasa ity hiasa ao anatin’ny fifampiresahana, ny mangarahara, ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra. Tanjona ny hitohizan’ny fampandrosoana maharitra, ao anatin’ny fahatoniana, mitera-bokatsoa. Njaka A.

Share this post: