Ostie : Sokajiana ireo mila fitsaboana maika
2026-01-28 - 06:33
Ampahafantarin’ny Ostie an’ireo tonga mitsabo tena ao aminy ny fisokajiana ireo marary mila vonjy aina na Cas urgent. Sokajiana ho ao anatin’io sokajy io ny olona iray raha toa ka tsy mahatsiaro tena na misy hafanana 38°5C no mihoatra. Torak’izany koa ireo maratra ka mety hiteraka fahaverezan-dra be loatra. Eo koa ireo olona mifanintona, ireo olona misy fahatapahana ny taolana. Tafiditra anatin’izany koa ireo tra-doza, mety ho voadona ny lohany, tapaka, tsy afa-mihetsika... Ankoatra ireo, ny olona mivalana miampy fanaviana, fanina, aretina an-doha tsy mijanona noho ny antony maro, marary vokatry ny famonoan-tena. Eo koa ireo bevohoka kanefa misy ra mandeha na mandoa ra sy mivalan-dra. Na eo aza ireo tranga ireo, misy hatrany ny tomponandraikitra manokana eny amin’ireo toeram-pitsaboana miandraikitra ny fahafantarana momba ilay marary raha toa ka misy amin’ireo tranga ireo ilana fitsaboana maika. Mandeha araka ny laharam-pahamehana ara-pitsaboana, araka izany, ny fandraisana ireo marary ho fanavotana aina. Tatiana A