Pancrace-2026 : Hiditra amin’ny “Combat de défi” faha-6
2026-01-27 - 09:11
Nomarihina tamin’ny fiarahana mikorana teny amin’ny Cemes Betongolo, ny sabotsy lasa teo, ny fanombohana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny taranja pancrace. Nandritra izany no namelabelaran’ny kaomisiona malagasin’ny pancrace / MMA sy “Submission” ny fandaharam-potoana miandry amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fanatanterahana ny “combat de défi” andiany faha-6. Nambaran’ny filohan’ny Kaomisiona, Zafindranaivo Zely, fa “goavana ny ady hitranga mandritra ity andiany faha-6 ity ary efa mampiomana sahady ireo mpikatroka izy fa afaka mandray anjara avokoa ny sokajin-danja rehetra. Tsy ambakan’izany ihany koa, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ary hisy fifaninanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara amin’ity taona ity”. Nohamafin’i Zafindranaivo Zely fa amin’ity taona ity no hifarana ny fitantanany ka hatao ny volana desambra 2026 ny fifidianana. Raha mbola hatolotr’ireo klioba sy mpitia ny taranja pancrace izy dia mbola vonona ny hirotsaka. Saingy kosa, miantso ireo tena tia ity taranja ity hilatsaka hofidina ihany koa ny tenany. Mi.Raz