Pancrace MMA: Hisy fifaninanana iraisam-pirenena
2026-03-27 - 04:42
Hisy ny fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja Pancrace MMA, karakarain’ny CMPS (Commission malgache de pancrace et submission), ny volana mey izao, araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo, omaly, teny Betongolo. Mbola tsy fantatra ny daty fa miankina amin’ny fahalalahan’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, raha ny fanazavan’ny filohan’ny CMPS, Zafindranaivo Mely. Mahakasika ilay fifaninanana MMA amin’ny sabotsy izao kosa, nilaza ny CMPS fa tsy nisy ny fanatonana azy ireo ka tsy tomponandraikitra ny amin’izay mety ho zava-misy mandritra io fifaninanana io izy ireo. Notsindrin’i Zafindranaivo Mely anefa fa misy amin’ireo mpikatroka ao amin’izy ireo mandray anjara amin’ity fifaninanana izay nampilaza ka nomen’ny CMPS tsodrano. Nomarihiny ihany koa fa eo an-dalam-pikarakarana ny taratasy hahatonga ny kaomisionina ho federasionina amin’izao ny mpitantana ka manentana ny rehetra mba hampiseho ohatra tsara ho an’ny taranja Pancrace MMA. Mi.Raz