TheMadagascarTime

Pentathlon Moderne Malagasy: Lasa fa namela mamy ny Maitre Faly

2026-01-29 - 09:13

Misaona ny Federasionina malagasin’ny taranja Penta­thlon moderne (FMPM). Nodi­mandry teo amin’ny faha-51 taonany, afakomaly, Rafilipo­harijaona Faliharimanana na ny Maitre Faly, tale teknika na­sionalin’ny FMPM. Lasa ny Maitre Faly, saingy namela ny tsara ho an’ny taranja sy ireo zandry. Nilaza Randriamalala Nathalie, filohan’ny Federa­sionina Pentathlon moderne eto Madagasikara, fa izy no anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ny vokatra tsara azon’ny Malagasy nandritra ny fifanintsanana afrikanina natao tany Afrika Atsimo, ny taona lasa teo iny. “Raha re­sa­ka asa, tsy dia be resaka fa avy dia asa ny azy. Havanana tanteraka amin’ny resaka fi­fan­tenana ireo ankizy izy. Izy no nahitana an’ireo atleta ni­tondra ny vokatra tsara ho an’ny Malagasy tamin’iny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika farany teo iny”, hoy ny filohan’ny FMPM. Araka ny fanadihadiana natao, tamin’ity farany, efa ha­tramin’ny volana aogositra lasa teo ny Maitre Faly no tsy to­mombana ny fahasalamany ka izao niafara hatramin’ny fahafatesany izao. Ankoatra ny maha tale teknika azy eo anivon’ny Federasionina, filohan’ny ligin’ny Escrime sy misahana ny resaka ara-teknikan’ny taranja fibatana fonjamby an’i Vakinan­ka­ratra ny tenany. « Maitre d’armes » andiany 2019, tany Algerie ihany koa ny lehilahy ary mpikambana teo anivon’ny kaomisionina ara-panatanjahantena ao anatin’ny komity Olympika malagasy (COM). Marihina fa ny Pentathlon mo­dern izay ikambanan’ny taranja, hazakazaka, lomano, « tir au pistolet laser », escrime, ary ny lalao fitetezana ireo sakan-dalana samihafa. F.R

Share this post:
Pentathlon Moderne Malagasy: Lasa fa namela mamy ny Maitre Faly | TheMadagascarTime