Poopy : « Samy ankafiziko ny feon-dry zalahy ireo… »
2026-02-27 - 05:06
D-Lain, Ken ary Tanjona Randrianarivelo no nambara voalohany. Fantatra ihany koa izao fa anisan’ny vahinin’i Poopy i Fy Rasolofoniaina. «Izy manana ny style dia mety be amiko. Toy ny mahazo aina vaovao ilay hira... », hoy i Poopy nandritra ny famerenana niarahany tamin’i Fy Rasolofoniaina. Mbola nohamafisiny izany, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly. « Samy ankafiziko ny feon-dry zalahy ireo. Mba niova kely tamin’ny mahazatra ny vahiniko eny an-tsehatra amin’ity, ka faniriana ho to ny ahy. Sady manararaotra kely maka any amin’izy ireo koa aho, satria na zokiny aza, mbola maro ny ianarana », hoy i Poopy, mahakasika ny fiarahany an-tsehatra amin’ireto mpanakanto namany ireto. Mandritra ilay seho « Tena Kanto 2», izay hotontosaina ny alahady 1 marsa izao io, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ihany. Hisy ny fampiaraham-peo maromaro. Hisy ihany koa ny fanaovan’izy efa-dahy ny hiran’i Poopy, amin’izay mampety ny tsirairay. « Maro ny hiran’i Poopy, ka nasaina nisafidy izay hataony aloha ireo vahiny. Notsongaina kosa avy eo ireo hira nisy nangataka mba hatao an-tsehatra, hanampy ireo efa tsy maintsy hatao », hoy i Jack Thierry. « Anisan’ny seho nomaninay ho tena kanto araka ny anarany ity, ka notsindriana manokana ny teknika », hoy kosa ny fampanantenan’i Tantely Ralalarison avy ao amin’ny Live Prod, mpikarakara. Zo ny Aina