Pr Siméon Rajaona 100 taona : Hisy fifaninanana asasoratra ho tsangambato
2026-01-26 - 09:11
Andrarezin’ny teny malagasy. Tsy ho lalovam-potsiny ny tsingerin-taona faha-100 nahaterahan’ny Pr Siméon Rajaona fa hanatanterahana tsangambato hipetraka ho an’ny taranaka any aoriana. Pr Siméon Rajaona, teraka teto Antananarivo ny 18 febroary 1926. Tsy ho lalovam-potsiny io faha-100 taona io fa homarihina amin’ny fifaninanana asasoratra ho tsangambato. Hizara sokajy efatra ny ao anatiny : tantara foronina, amboarantononkalo, sombintantara ary fandikana asasoratra vahiny. Manomboka ny 18 febroary izao ka hatramin’ny 19 jona ny fandraisana ny sanganasan’ny mpifaninana eny amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary siansa maha olona (FLSH, varavarana faha-120), oniversiten’Antananarivo. Loka telo isaky ny sokajy no hatolotra ireo izay mivoaka ho mpandresy amin’ny 6 novambra 2026. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana. Asasoratra vaovao tsy mbola navoaka anaty boky no afaka mifaninana. Olona iray no mandefa ilay asasoratra. Izany hoe, tsy itambarana ka karazana asasoratra iray ihany no ahafahany mandray anjara. Raha tsiahivina, ny Pr Siméon Rajaona no sojabe voalohany tao amin’ity lalam-piofanana ity ny taona 1972. Mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy ihany koa izy. Nitarika ny haiteny ara-drafitra sy araka anjara asa tamin’ny fandalinana ny fiteny malagasy ka namoahany ilay boky « Structure du malgache, étude des formes prédicatives ». Anisan’ny nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga faharoa kosa ny namoahany ny boky « Takelaka notsongaina » Tome 1 ny taona 1962 ary ny Tome 2 ny taona 1963. Nitohy tamin’ny asa fikarohany ny Pr. Siméon Rajaona ka namoaka ny boky « Problèmes de morphologie malgache » ny taona 1977. Ny 23 jona 2013 no nodimandry izy. HaRy Razafindrakoto