TheMadagascarTime

Pureplay Football League : Efa tafita ny Disciples FC sy ny Cosfa

2026-03-27 - 04:42

Ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ao amin’ny Kaonferansy Atsimo sy ny Cosfa, Avaratra, no efa tafita any amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Ny miaramila izay nahazo ny tapakilan’ny “Playoff PFL”, rehefa nandavo ny TGBC Atsinanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, omaly, tetsy Betongolo. Ny solontenan’i Vakinankaratra kosa, nandavo ny AS Ste Anne, tamin’ny isa 4 no ho 2, ny asabotsy lasa teo, tany Antsirabe. Nilaza ny mpanazatra ny Cosfa, Coach Lalaina, fa na efa azo aza ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka, mbola hiezaka hatrany izy ireo ny hitazona ny lohany ao amin’ity Kaonferansy Atsimo ity. “Ny ady laharana angamba sisa no hatrehinay ary mitohy hatrany ny fanomanana ho an’ny ekipanay, tsy mora ny miatrika izany Playoff izany”, hoy ny Coach Lalaina. Etsy ankilany, ny Disciples FC mbola manomana fatratra ny fiatrehany amin’ny Elgeco Plus, tompondaka farany, etsy By-pass, ny alarobia 8 avrily ho avy izao. Marihina fa tanjon’ity klioba avy ao Vakinankaratra ity ny hanao pao-droa amin’ity taona ity. F.R

Share this post: