TheMadagascarTime

“Pureplay Football League”: Hanafika an’i Antimo Record ny AS Ste Anne

2026-03-04 - 04:46

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Hanafika an’ireo ekipa avy any atsimo, any Toliara, ny AS Ste Anne, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Ki­anjan’i Maitre Kira. Araka ny fanadihadiana natao omaly, efa lasa any Toliara ny AS Ste Anne. Mpi­lalao 24 no nentin’izy ireo hiatrika ny fihaonana. “Efa vonona tanteraka izahay amin’ny zava-misy rehetra any, hitady ny isa telo no tena tanjonay amin’io fifanandrinana io”, hoy ny mpitantana iray eo anivon’ity klioba ity, omaly. Hatreto, eo amin’ny laharana fahatelo no misy ny AS Ste Anne, manana isa 17. Ady sahala iray sy faharesena iray no azon’izy ireo nandritra ny fihaonana fito efa vitany. Ankoatra izay, hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha ny fihaonana miverina eo amin’ny Disciples FC sy ny CFFA Andoharanofotsy, tompon-tanàna. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipa roa tonta teo amin’ ny fifanandrinana mandroso. Hatao anio, eny Betongolo, ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Clinique Zanatany sy ny FC Rouge. F.R

Share this post: