TheMadagascarTime

Pureplay Football League : Hanala vela amin’ny Disciples ny Ste Anne

2026-03-21 - 05:13

Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara na “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’ny lalao andrasan’ny maro ny fi­haonan’ny Disciples FC Va­kinankaratra sy ny AS Ste Anne ao amin’ny kaonferansy atsimo. Raha tsiahivina, mitarika vonjimaika ny Disciples, manana isa 23, tsy mbola resy mihitsy. Fahatelo kosa ny As Ste Anne, nahazo isa 17. Rahampitso no hatao any Antsirabe ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta; Hanala vela amin’ity ny ekipan’ny Ste Anne, izay efa resin’ny ekipan’i Vaki­nankaratra tamin’ny isa 5 no ho 0 nandritra ny lalao mandroso. Tsy maintsy hanao valin’ady mahery vaika, araka izany, ny ekipan’Atsimon­drano, amin’ity. Raha hiverenana indray ny vokatra farany vitan’ny ekipa roa nandritra ny andro fahasivy. Disciples nanao ady sahala 1 no ho 1, tamin’ny COSPN ary ny As Ste Anne nandresy ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ny isa 2 no ho 1. Ankoatra izay, ha­fana ihany koa ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco plus, tompondaka farany, izay hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, rahampitso alahady. Hanala vela ihany koa ny CFFA amin’ity satria efa lavo tamin’ny isa 4 no ho 2, nandritra ny lalao voalohany. Mila mandresy ny CFFA raha te hiatrika ny «Play-off». Tompondaka

Share this post: