Pureplay Football League : Hitazona ny toerany ny Disciples FC sy ny Cosfa
2026-02-21 - 06:27
Hotontosaina ny faran’ny herinandro ho avy io ny andro fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Hanamafy ny toerana amin’ny maha voalohany azy, amin’ny faran’ny herinandro, ny Disciples FC Vakinankaratra, manana isa 18, mifaninana ao amin’ny Kaonferansy Atsimo sy ny Cosfa miaramila, mitana isa 15, ao amin’ny vondrona Avaratra. Ny ekipan-dry zareo Vakinankaratra, izay hifandona amin’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy, anio, any Antsirabe. Hifampitana eny amin’ny kianja Antanikatsaka Itaosy, rahampitso alahady kosa, ny FC Rouge sy ny Cosfa. Marihina fa mbola i Fabrice, lohalaharan’ny Disciples FC, ihany aloha hatreto no mitarika amin’ny mpampiditra baolina betsaka indrindra. Nahafaty enina izy, tao anatin’izay andro enina efa vita izay. Manaraka azy ao kosa, i Massy, mpilalaon’ny Cosfa, nahafaty efatra. Ankoatra izay, hanafika ny Mama FC, any Imeritsiatosika any ny Elgeco Plus Analamanga, tompondaka farany amin’ny fifanintsanana PFL, rahampitso. Ity klioba avy eto Analamanga ity no mihazona ny laharana faharoa, ao amin’ ny sokajy Atsimo. Ny Disciples FC irery ihany aloha hatreto no mbola nandresy azy tao anatin’ny fihaonana enina efa vitany. Fitia Randria