TheMadagascarTime

“Pureplay Football League» : Mangataka ny hamerenana ny lalao any aminy i Boeny

2026-02-12 - 04:58

Miantso ny federasionina sy ny CFEM hamerenana ny ambin-dalao any amin’ny Kianja Rabemananjara ny ligin’i Boeny. Miteraka fatiantoka ho azy ireo ny famindrana ny lalao aty Antananarivo, arakany nambaran’ny filohany. Nanao antso avo ho an’ny tomponandraikitry ny Federasionina sy ny CFEM i Maeva Portos, filohan’ny ligin’ny baolina kitra ao Boeny, ny sabotsy lasa teo, teny Alarobia. Ny hamerenana ny ambin-dalao ao amin’ny Kianja Rabemananjara, ma­no­loana ny fanasazian’ny tomponandraikitry ny Club de football élite de Madagascar (CFEM), amin’ny tsy ahazoany handray lalao ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara no anton’izany “Marobe ny fatiantoka amin’ny famindrana ny lalao aty Antananarivo. Anisan’ny voa mafy amin’izany ireo ekipanay. Miova ny tetibola hiatrehana ny lalao raha mivoaka ny faritra. Ny vahoakan’i Boeny koa te hanohana ny ekipany no sady maniry hijery baolina”, hoy izy. Araka izany, manao antso ho an’ny mpitantana ny tenany hanefa ny volan’ireo mpitsara izay nahatonga ny olana ka nitarika izao fanasaziana ny kianja izao. Nomarihiny fa vonona ny ligy hametraka ny lamina rehetra amin’ny fampandehanana ny lalao rehetra. “Aoka tsy ho atao takalonaina ny ekipa sy ny mpilalao”, hoy izy. Tsiahivina fa eto Antananarivo avokoa no handraisan’ny Fosa Jr sy ny Tsaramandroso Formation ny lalaony izay tokony hatao any Mahajanga. Tompondaka

Share this post: