Pureplay Football League : Mbola manjaka ny Disciples FC
2026-02-02 - 05:07
Fandresena hatrany! Nahita fahombiazana indray ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Elgeco Plus Analamanga, tao amin’ny Kianjan’ny Vélodrome Antsirabe. Fandresena fahefatra tamin’ny lalao efatra vita izany izao no azon’ny ekipan’i Vakinankaratra, manana isa 12 izy ireo. Iny kosa no faharesena voalohany ho an’ny Elgeco Plus, izay mitana ny isa 7 ary mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo vonjimaika. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, niady tanteraka ny lalao ary nafana ny fifandonana teny ambony kianja. Baolina tafiditr’i Fabrice, tany amin’ny minitra fahadimin’ ny fizaram-potoana voalohany no nitondra ny fandresena ho an’ny Disciples. Niezaka nanenjika ny isa ihany ny Elgeco Plus, saingy tsy nahita ny masonarato mihitsy. Fitia Randria -Rafanomezantsoa Oelison na i Coach Careca, mpanazatra ny Elgeco Plus: ”Arahabaina ny Disciples nahazo fandresena. Tratran’ilay baolina maty aloha be izahay, saingy nampihetsika ny hambopon’ny mpilalao anay izany. Hita taratra ilay tsy fetezana ka tsy maintsy hanova paikady, satria hita nandringa kely ihany ny fanafihana, maro ny fanafihana sy ny occasion azonay, saingy tsy nisy tafiditra izany.” -Razafindrakoto Mamisoa, teknisianina voalohany ao amin’ ny Disciples FC Vakinankaratra: “Isaorana aloha ny mpilalao, nahafinaritra ny lalao, niezaka nampiseho fihaonana tsara ny roa tonta, izahay no nandresy 1 no ho 0, izay ilay baolina tsy maintsy misy ny mandresy dia tsy maintsy misy ny resy. Somary tendu kely ilay lalao satria mahay ny mpifanandrina. Hanarina ny lesoka izahay, anisan’izany ny resaka fitazomam-baolina sy ny famonoam-baolina.”