TheMadagascarTime

Pureplay Football League : Misongadina hatrany ny Disciples FC

2026-01-27 - 09:11

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahatelo fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Foot­ball League”. Nahazo fandresena fahatelo, tamin’izany ny Disciples FC rehefa nandavo ny Uscafoot tamin’ny isa 3 no ho 1, tao amin’ny Kianja Vé­lodrome Antsirabe. Manana isa sivy izany izao ny Discip­les FC, ary mipetraka ho laharana voalohany ao amin’ny Kaonferansy Atsimo. Ny fa­ran’ny herinandro ho avy izao, hifandona amin’ny Elgeco Plus, tompondakan’i Madaga­sikara farany teo, ity klioba avy any Vakinankaratra ity. Efa nifandona teo amin’ny fa­maranan’ny PFL 2024 ireto klioba roa ireto, ary ny Discip­les FC no nivoaka ho mpandresy tamin’izany. Ankoatra izay, samy nahazo mpilalao vaovao na ny Disciples FC na ny Elgeco Plus. Ny Elgeco izay ahitana an’i Toky sy Lalane ary ny Disciples kosa nohatevenin-dry Rado, Kely ary Fely. Ankoatra izay, nahazo fandresena 2 no ho 0 teo anatrehan’ny Mama FC ny AS Ste Anne, omaly, teny amin’ny kianjan’ny CFFA Iavoloha. Mitana ny laharana faharoa ao amin’ny vondrona Atsimo ny AS Ste Anne, manana isa fito. Mbola mihazona ny lohany ao amin’ny Kaonferansy Avaratra kosa ny Tsaraman­droso Formation. Nandresy ny FC Rouge, 2 no ho 0, ry zareo avy any Boeny. Marihina fa ireto klioba roa ireto, izay mbola tsy resy mihitsy tamin’ny lalao telo nataony. Fitia Randria

Share this post: