Pureplay Football League : Nisy tsy tomombana ny lalao tany Mahajanga
2026-01-28 - 05:53
Olana tamin’ny mpitsara! Nanahirana indray ny lalao tany Mahajanga, nandritra ny andro fahatelon’ny “Pureplay Football League” (PFL). “Tena niharan’ny tsy rariny izahay. Anisan’izany ny zava-nisy ny alahady teo, baolina tokony hanomboka tamin’ ny 2 ora sy sasany, lasa amin’ny 3 ora sy sasany vao manomboka fa tsy hita ireo mpitsara sasany fa iray ihany no tonga teo ambony kianja. Rehefa nandeha ny lalao, mpitsara afovoany sy sisiny roa ihany no nisy, saingy tsy nisy ny mpitsara fahefatra”, hoy ny mpitantana ny klioba iray niatrika ny lalao tany an-toerana. Manamafy ihany koa ity lehiben’ny klioba ity fa tsy mitovy ny hevitr’ireo mpitsara rehefa nizotra ny lalao. Efa niantso ny tomponandraikitra mahakasika ny zava-nisy, ary efa nametraka fitarainana eny anivon’ny CFEM izy ireo. Nilaza ny tomponandraikitra iray amin’ny ligy any an-toerana, fa tohin’ilay fikomiana ataon’ireo mpitsara sasany io tranga io. “Misy amin’ireo mpitsara no vonona hitsara an’ilay lalao, misy kosa ireo tsy manaiky ny handehanan’ilay fihaonana any an-toerana. Na eo ary izany, vita hatramin’ny farany avokoa ny fifanandrinana izay natao rehetra”, hoy ilay tomponandraikitra anivon’ny ligin’i Boeny. Raha tsy misy ny fiovana, hisy ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny CFEM, anio, hiresahana mahakasika izany tranga izany. F.R