TheMadagascarTime

“Pureplay Football League” (PFL) : Cosfa sy Disciples, tsy mbola resy hatreto

2026-02-17 - 04:58

Mizotra miandalana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Samy tsy mbola resy hatramin’ny nanombohan’ny fifaninanana ny Cosfa sy ny FC Disciples. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay Football League). Ekipa roa no misongadina amin’izao fotoana, izay tsy mbola nanao fahadisoana ary tsy resy mihitsy. Mitarika any amin’ny kaonferansy avaratra ny Cosfa Analamanga, raha ny Disciples FC Vaki­nankaratra kosa ny amin’ny kaonferansy atsimo. Nandritra ny andro fahenina amin’ny fifanintsanana, lavon’ny Disci­ples FC, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny COSPN Anala­manga. Fihaonana natao ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Iavoloha. Nahitana endri-dalao nahafinaritra ny an’ny roa tonta, saingy niavaka ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ny mpilalaon’ny Disci­ples amin’ny fihaonana ambony toy izao. Na izany, misy ho lazaina ihany koa ireo mpilalaon’ny polisim-pirenena. Teny amin’ny Kianja El­geco Plus kosa, nivoaka sempotra ny tompon-jaridaina vao nandresy ny Antimo Record, tamin’ny isa tery, 1 no ho 0. Nametraka fitarainana moa ireo mpilalaon’ny Atsimo An­drefana fa nirava tsy lera ny lalao, satria mbola vao teo amin’ny minitra faha-87 dia efa notsofin’ny mpitsara ny kiririoka namarana ny fihaonana. Tetsy Betongolo, lavon’ny Cosfa, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Clinique Zanatany. Vokatra tsy nampoizin’ny rehetra kosa ny nandresen’ny Ajesaia ny Fosa Jr Boeny, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Mama FC sy ny Uscafoot ary nisaraka tamin’ny isa mitovy 1 sy 1 teo amin’ny lalaon’ny CFFA sy ny AS Ste Anne. Tompondaka

Share this post: