TheMadagascarTime

Pureplay Football League (PFL) : Mitarika ny Disciples FC, faharoa ny Elgeco Plus

2026-02-10 - 04:48

Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo, amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League” (PFL), ny Disciples Fc Vakinankaratra. Nahazo isa telo indray izy ireo, tamin’ity andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena ity, rehefa nandavo ny AS Ste Anne, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, afakomaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavolo­ha. Manana isa 15 izany ny ekipan’i Vakinanka­ratra. Baolina tafiditr’i Tsila sy i Tinoh ary i Fabrice no nahazoan’izy ireo ny fandresena. Marihina fa nahatafiditra baolina roa avy i Tinoh sy i Tsila. Mametraka ny lanjany ny Elgeco Plus Ankoatra izay, mbola ma­metraka ny anarany amin’ny maha tompondaka farany azy, ny Elgeco Plus. Nahavita “re­montada” ry zareo, afakomaly, tao By-Pass. Rehefa nitarihan ́ny CFFA Andoharano­fotsy, 2 no ho 0, ny solontenan’ny ligin’Analamanga, dia nivadika 4 no ho 2 ny isa tamin’ny fiafaran’ny lalao. Nandresy ny Elgeco Plus ary lasa eo amin’ny laharana faharoa indray izany ny ekipan-dry Toldo, mpiandry haraton’ny Elgeco Plus. Nilatsaka eo amin’ny fahatelo kosa ny AS Ste Anne. F.R Voka-dalao rehetra : Kaonferansy avaratra FC Rouge (1)-(0) TGBC Cosfa (5) – (3) Fosa Juniors Ajesaia (3) – (0) TFFC Kaonferansy atsimo Uscafoot (1) – (1) Antimo Record. AS Ste Anne (0) – (5) Disciples FC Elgeco Plus (4) – (2) CFFA Mama FC (1) – (0) CosPN

Share this post: