Pureplay Football League : Tsy mandray lalao ny Kianja Rabemananjara
2026-01-30 - 07:58
Tsy afaka hampiantrano lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny Kianja Rabemananjara Mahajanga noho ny fisian’ny korontana ataon’ny mpitsara vitsivitsy, izay mikomy any an-toerana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny CFEM ny tsy hanisy fihaonana any an-toerana mandra-pahatonga ny lamina vaovao. Tapaky ny mpikambana eo anivon’ny Kaomisionina hikambanan’ireo klioba elita eto Madagasikara (CFEM), afakomaly, fa tsy hisy aloha ny lalao amin’ny “Pureplay Football League (PFL)” hatao any amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga raha tsy misy ny lamina vaovao. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny fikambanana, fa filohan’ny klioba maro no nanapa-kevitra ny amin’izany. Nilaza ity mpampita vaovao ity, fa maro ireo zavatra tsy tomombana hita sy nahazoana fitarainana tamin’ny fihaonana tany an-toerana. Anisan’izany ny fahataran’ny fanombohan’ny lalao, izay tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany nefa amin’ny 3 ora sy sasany vao nandeha. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny mpitsara mpanampy fahefatra, tamin’ny fihaonan’ny Tsaramandroso Formation sy ny FC Rouge... Raha hiverenana ny zava-misy, misy amin’ireo mpitsara sasany, any amin’ity faritr’i Boeny ity, no manatanteraka fikomiana ka manao ny fomba rehetra hanakanana ny lalao, raha ny filazan’ny mpitantana iray eo anivon’ny ligy any an-toerana. “Mbola misy amin’ireo fitakiana nataon’ny mpitsara no tsy voavalin’ny rafitra federaly”, hoy hatrany izy. Hatao eto Antananarivo avokoa, araka izany, ny fihaonana rehetra izay tokony hotanterahina any Mahajanga. Nanamafy ny lehibe iray eo anivon’ny CFEM fa tsy mampiantrano lalao mihitsy io kianja io raha tsy manome toky azy ireo ny mpitantana ny ligy sy ny tomponandraikitry ny mpitsara any an-toerana fa milamina avokoa ny olana rehetra, azo antoka tsara ny hizoran’ny fihaonana amin’ny ara-dalàna. F.R