TheMadagascarTime

Rallye : Kandidà roa hifaninana ho filohan’ny federasionina

2026-03-04 - 04:46

Ho fantatra amin’ny 21 marsa ho avy izao izay ho filoha vaovao hitantana ny Féderation sport-automobile de Madagascar (FSAM). Kandidà roa no hifaninana ho amin’izany, izay olona ao anatin’ny tontolon’ny taranja mekanika avokoa. Nikatona ny alahady lasa teo ny fandraisana ny taratasy ho an’ireo hifaninana ho filohan’ny Fédera­tion sport-automobile de Ma­dagascar (FSAM). Rehefa nan­dinika ny antontan-taratasy mahakasika izany ny Vao­miera mahaleo tena misahana ny fifidianana, nankatoavina ny filatsahan’ireo kandida roa hifaninana, dia ny an-dRabe­koto Jeannot sy Ranarison Henintsoa. Tsy olona vaovao eo amin’ny tontolon’ny taranja mekanika akory izy mirahalahy ireo. Rabekoto Jeannot, fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe: Nonot. Mpanamory ary efa filohan’ny klioba Asacm nandritra ny 20 taona. Izy ihany koa no mitondra vonjimaika ny tetezamitan’ny federasionina nanomboka ny volana avrily 2025 ka mandra-pahavitan’ny fifidianana. Fantatra fa ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fivoriamben’ny klioba Asacm, tsy nilatsaka ho fidina ho filohan’io klioba io intsony ny tenany ary efa nametra-pialana. Ranarison Henintsoa indray dia filoha lefitry ny federasionina teo aloha. Mahafan­tatra tsara ny ativilanin’ny rallye eto Madagasikara. Tsiahi­vina fa hotanterahina ny sa­botsy 21 marsa ho avy izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe hanaovana ny fifidianana izay ho filohan’ny FSAM. 13 ireo klioba afaka mandatsa-bato, ahitana ny Asacm, ny FMMSAM, ny ASA Tana, ny Run Mada, ny Tac’s, ny MSA, ny SRK, ny Go-Jang Boeny, ny AS 110 Vakinanka­ratra, ny AC 501 Atsinanana, ny TMF, ny AMA ary ny ACCT. Tsiahivina fa tontosa avokoa ny fifaninanana rehetra ho an’ny taom-pilalaovana 2025 ka ny namaranana azy dia ny Run natao ny alahady lasa teo. Tompondaka

Share this post: