Rallye malagasy : «Haverina ny fiaraha-miasa amin’ny Fia», hoy Rabekoto Jeannot
2026-03-28 - 04:53
Fanohizana ireo ezaka efa natomboka tany amin’ny Tetezamita, ny an-dRabekoto Jeannot, filohan’ny Fédération sport automobile malagasy vaovao. Laharam-pahamehana ny famerenana ny rallye ho anatin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fia). Resadresaka natao taminy. Gazety Taratra (*) : Inona ny tena maika indrindra ho an’ny rallye malagasy Rabekoto Jeannot (-) : Haverina haingana ny fiaraha-miasa amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fia). Ny firesahana amin’ny «officiel de course», izay hiankinan’ny fanapahan-kevitra teknika rehetra. Ezahina ny hampidirana ny karting sy ny rallye virtuel ho lasa iraisam-pirenena. (*) : Ahoana ny amin’ny lafiny vola ? (-) : Efa natao mazava tsara ary hasiana mpanamari-bola amin’ity mba hangarahara avokoa ny vola rehetra. Raha atao ny tomban’ezaka, niabo ary nahazoako fankasitrahana ny resa-bola nandritra iny Tetezamita iny. (*) : Efa voaloa ve ny latsakemboka iraisam-pirenena ? (-) : Ezahina hefaina amin’ny herinandro ambony io ny tamin’ny taon-dasa sy ny amin’ity. Antony, sarotra ho an’ny Tetezamita ny niditra tao anaty kaontin’ny federasionina noho ireo antontan-taratasy samihafa. (*) : Azo heverina ve ny hiverenan’ireo vahiny mpifaninana amin’ny Rim? (-) : Sarotsarotra noho isika nosy mitokana ka lafo ny fitondrana ny fiara mankaty sady lava ny fotoana. Ezahina ny hahatongavan’izy ireo indray. Na izany aza, eo amin’ny Run, efa fantatra fa hisy mpanamory renioney handray anjara ka efa vaovao tsara izany. (*) : Mbola hifaninana ve ny filohan’ny federasionina? (-) : Ny hiteny hoe hijanona aloha sarotra satria taranja tiako ny rallye fa raha misy ny fotoana mbola mandray anjara kely eny ihany. (*) Inona àry ny hafatra ho an’ny tontolon’ny rallye (-) : Ho an’ny mpankafy sy ny mpanohana, mila anareo ny sport automobile. Ho antsika mpanamory, andao hiray hina ka samy hanaja ny fitsipika sy ny lalàna mba tsy hisy olana intsony, mba hampazoto ny mpanohana. Dinika nangonin’i Torcelin