Rallye Malagasy : Voafidy ho filohan’ny federasionina Rabekoto Jeannot
2026-03-23 - 04:52
Nohamafisin’ny mpifidy ny toeran’ny filohan’ny tetezamita, nitantana ny “Federation sport automobile malagasy” (FSAM). Hitantana izany mandritra ny efa-taona Rakotobe Jeannot, izay mandimby an-dRakotofiringa Jimmy. Rabekoto Jeannot, fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe : Nonot no lany hitantana ny Federation sport automobile malagasy (FSAM), mandritra ny fotoam-piasana 2026-2030. Tontosa afakomaly, teny amin’ny efitrano fivoriana Kianja Barea, ny fivoriambe ara-potoana nanatontosana ny fifidianana. Lany tamin’ny isam-bato 100 % i Nonot. Nifidy azy avokoa ny klioba 13, nahazo alalana handatsa-bato. Roa ny kandida, nifaninana ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny FSAM: Rabekoto Jeannot sy Ranarison Henintsoa. Hanohy ny asa efa natombony i Nonot. Tsiahivina fa nitantana ny tetezamitan’ity federasionina ity izy nanomboka ny volana avrily 2025. Nandray ny andraikitra izy taorian’ny tsy fahafahan’ny mpitantana namita ny taom-piasany. Tsy olom-baovao amin’ny tontolon’ny familiana fiarakodia izy. Mpanamory, efa nandray anjara matetika tamin’ny karazana fifaninanana mamily fiarakodia nisy teto Madagasikara. Sady efa tompondakam-pirenena tamin’ny taona 1995 no efa filohan’ny klioba Asacm koa nandritra ny 23 taona. «Tsy ho vitako irery ny fitantanana ny federasionina. Mila mpanohana hahazoana manatanteraka ny ezaka tiana hotratrarina aho », hoy izy. Mangarahara Nambarany taorian’ny nahalany azy, fa tanjony voalohany ny hisian’ny fitantana ara-bola madio iarahan’ny komity mpitantana manaiky. Anisan’ny goavana ao anatin’ny fandaharan’asany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny federasionina iraisam-pirenena (FIA). Tsy ho latsa-danja ny ekipa teknika ao anatin’ny tontolon’ny familiana fiarakodia. Nohamafisiny ny fahavononany hampandroso ny taranja mekanika eto Madagasikara. Handrasana ny lisitry ny mpikambana vaovao indrindra ny olona hitana ny toeran’ny tale teknika nasionaly. Tetsy ankilany, nirary soa azy hahavita be amin’ny adidy iantsorohany Ranarison Henintsoa, mpifaninana taminy. Miantso ny fifanomezan-tanana hanampiana ny filoha Nonot izy. Tompondaka