TheMadagascarTime

Ramaroson Jean Michel : Lany ho filohan’ny FMBB faninefany

2026-02-12 - 04:58

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay hitantana ny Federasionina malagasin’ny basikety. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaroson Jean Michel, ka lany indray hitantana ny FMBB mandritra ny efa-taona manaraka (2026-2030). Fotoam-pitantanana faha-4 ho azy ity nahalany azy ity. Ligy 19 tamin’ireo 20 nandatsa-bato no nifidy azy nandritra izany ary lany niaraka taminy ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny biraon’ny FMBB. Ahitana ny filoha lefitra, Ramanarivo Alain, ny sekretera jeneraly, Ralalaha­rison Tsiry Colombe ary ny mpitambola Ratovoson Em­manuel izany. Teboka 6 lehibe no mandrafitra ny vinan’asa 2026-2030 ho an-dRamaro­son Jean Michel. Eo ny fitantanana mirindra sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ny fanatsarana ny fikarakarana fifaninanana. Manaraka izany, ny fametrahana tanjona ho an’ny basikety 3×3 ho any amin’ny lalao olympika 2028. Ankoatra izany, ny fiaraha-miasa amin’ny ligy ho fampandrosoana ny taranja. Ny fanomezana sehatra ny diaspora ary ny fananganana akademia any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Mi.Raz

Share this post: