Randrianirina Jean-Ignace : “Tsy mitovy tamin’ny 2009 ny tondrozotra amin’ity”
2026-02-28 - 05:26
“Tamin’ny 2009, nazava hoe fizarana seza ny tondrozotra. Nisy ankolafy nampihavanina. Eo izany ny fandaminana ny fitantanana ny fitondrana amin’ity, tsy misy hampihavanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny resabe etsy sy eroa ny amin’ny hoe fisiana tondrozotra amin’izao fitondrana izao. Ny tondrozotra eritreretin’ny Sadc na ny Vondrona afrikanina, karazana fandaminana ny fitantanana ny fanjakana mandritra ny Tetezamita na fanohizam-panjakana, raha izay no ilazana azy. Mandritra ny roa taona. Rahoviana ary mandritra ny firy volana no hanaovana ny fikaonandoham-pirenena? Rahoviana no hanomboka ny fifidianana? Ny fahazoan’ny mpanao politika ny tondrozotra dia hoe tokony hisy aloha ny fihaonan’ny samy Malagasy hamoaka tondrozotra. Hiara-manapaka izany ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana mandritra ny roa taona. Anjaran’ny mpanao politika ny mamakafaka sy mivondrona. Raha tiany ny hahatongavana amin’izay eritreretiny, mila atao mafy ny tsindry. Fikaonandoham-pirenena no notakin’ny mpanao politika rehetra hatramin’izay. Tsy mbola mandeha anefa izay, tokony havoaka: rahoviana no hatao? Dia miandry ny fandaminana sy ny fifidianana ny mpanao politika rehetra. Izay ny hevitry ny MFM. Tsy hoe izay no marina. Tsy miady amin’ny mpanao politika ny MFM, fa mijery ny lojika sy ny fandaminana eto amin’ny firenena. Tsy nanao sonia ny fifanarahana politika ny antoko, fa mieritreritra hamory ny mpisehatra politika rehetra handaminana an’izay. R. Nd.