Rap iraisam-pirenena : Ho avy i Gazo, hiverina i La Fouine
2026-03-07 - 05:36
Mpanakanto samy manana ny lazany. Samy hanana ny anjara fampisehoany eto Madagasikara amin’ity taona ity. Ho avy i Gazo fa fiverenana kosa ho an’i La Fouine. Hisongadina ny Rap iraisam-pirenena. Vaovao lehibe ho an’ny mpiondana! Hiverina eto Madagasikara indray La Fouine. Ireo « Génération X » no tena nankafy azy, satria tany amin’ny 10 sy 15 taona lasa tany no tena tao anatin’ny lazany La Fouine. Hafaliana ho an’ny « Génération Z » koa anefa no nahare fa ho avy eto ihany koa i Gazo, frantsay mpanakanto mpanao rap malaza indrindra amin’ireo mpivoy izany ankehitriny. « Tsy vahinin’i Gazo akory La Fouine, fa samy hanana ny anjara fampisehoany izy ireo. Natao hanomezana fahafaliam-po ireo mpankafy ny rap frantsay rehetra izany”, hoy ny nambaran’i Tojo Rabe, iray amin’ireo mpikarakara avy ao amin’ny Nas production, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagascar. “Fotoana hanomezana sehatra ireo tanora maniry ny hilomano anatin’ny fikarakarana hetsika koa io. Manohana ireny finiavana ireny, toy ny efa natomboky ny Nas Production ny Yas Madagascar. Hetsika misokatra amin’ny iraisam-pirenena ny toy izao, mampivelatra ny tanora ihany koa”, hoy i Henintsoa Randrianjatovonarivo, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Yas Madagascar. Mazava loatra fa mitaky haavo teknika ambony dia ambony eo amin’ny fitaovana rehetra ampiasaina ny seho iraisam-pirenena toy izao. Efa mahafeno ny fepetra ny eto Madagasikara, izay mbola hoporofoina mandritra io seho haharitra ora telo io. Zo ny Aina